<?xml version="1.0" encoding="UTF-8"?><song><hymn_number>19</hymn_number>
<lyrics>[V1]
 Raha Jehovah no Mpiandry
 Tsy mba hisy mampahory
 Ahi-maitso no handriana
 Ny fanahy velombelona
 Eny, tsy hanahy akory
 Lala-marina itondrany
 Lalan-tsambatra
 (Sambatra ifaliana)

[C1]
   Raha Jehovah no Mpiandry
   (Tsy mba hisy)
   Tsy mba misy 'zay mampahory
   Ahi-maitso no handriako
   (Ranon'aina hosotroiko)
   Ranon'aina hosotroiko
   Ny fanahiko hovelominy
   (Miasa izy)
   Miasa lzy tsy mba matory
   Lala-marina itondrany
   Tsy ho foiko

[V2]
 Ny aloky ny fasana aza
 Tsy ho tazantsika intsony
 Tsy hatahotra ny loza aho
 (Izy no mihazona ahy)
 Tsorakazo nitondrany
 Sy ny tehiny any ambony
 No manolotra ny toky
 Ny fanahiko
 (Toky ny fanahiko)
 Raha Jehovah no Mpiandry, sns...

[V3]
 Eo imasom-pahavalo
 Ny latabatro velariny
 Diloilo feno hanitra
 (Efa namontosany ahy)
 Safononoka tantely
 Ny kapoakako namboariny
 Fahasoavana no sisa
 Afaka ahiahy
 (Afaka ahiahy)
 Raha Jehovah no Mpiandry, sns...

[V4]
 Ao an-tranonao ry Tompo
 No iriko hialofana
 Ka tsy afa-miditra any
 (Ny hetraketraky ny tany)
 Raha ny fonao feno antra
 No ho lamba hirakofana
 Ary ny androm-pifaliana
 Tsy ho lany
 (Tsy ho lany)
 Raha Jehovah no Mpiandry, sns...</lyrics>
<title>Raha Jehovah no Mpiandry FF19</title>
</song>